Renim-pianakaviana iray izay filohan’ny mpanolotsainan’ny Kaominina any Kianjavato, Distrikan’i Mananjary no maty novonoin’ olon-tsy fantatra tamin’ny fomba feno habibiana, ka ny zoma misandratr’andro teo no nahitana ny vatana mangatsiakany nihosin-drà tao an-trano fonenany tao Ambohipierenana, Fokontany Ambodibonara. Raha ny fantatra araka ny vaovao voaray dia nampiahiahy ny mpifanolo-bodirindrina teo an-tanàna ny fahitana ny tranony ity ramatoa ity tsy mbola nivoha ihany, kanefa efa miha antoandro ny andro, satria tsy dia fanaon’ity renim-pianakaviana ity loatra izany.
Nisy tamin’ireo ampahan-taovany nesorin’ireo olon-dratsy. Nanapa-kevitra ny mpiray tanàna fa ho vahana ny trano kanjo faty feno ratra tanteraka ny vatany iray manontolo no hitan’izy ireo tao, ary nisy tamin’ny taova taminy ihany koa no noesorin’ireo olon-dratsy, ka nivarahontsana izay rehetra nahita ny razana. Tsy nisy nipika kosa ny entana rehetra tao an-trano. Mandeha ny famotorana sy ny fikarohana izay mety ho nahavanon-doza ataon’ny mpitandro filaminana.
Eric Manitrisa