Omaly maraina tokony ho tamin’ny 9 ora tany ho any, tezitra ny mponina tao Mananjary raha nahafantatra fa nisy ramatoa iray nanipy hena kisoa, tao amin’ny valamena lehibe any an-toerana. Avy hatrany dia nosamborin’ny fokonolon izy io. Nanamparan’izy ireo ny hatezerany ary farany nodorana tamin’ny kodiarana nasiana lasantsy teny amoron-dranomasina . Maty avy hatrany ity olona ity. Rehefa izany, dia samy niparitaka ny rehetra.
Nafana dia nafana ny toe-draharaha tany Mananjary, io omaly io. Tsy ela dia niparitaka ny vaovao « ratsy » ary tonga niakatra an-tanàna na ny avy any lavitra aza. Nosamborina ilay vehivavy izay nilaza fa mpivavaka. Any amin’iny faritra iny anefa, toa tsy azo ekena mihitsy ny fanimbazimbana ny toerana misy ny vakoka sahala amin’izao. Notaritarihin’ny olona ilay vehivavy ary nisy ny tonga dia nidaroka avy hatrany noho ny hatezerana. Nahare ny fandehan-javatra ny mpitandro filaminana tany an-toerana ka niditra an-tsehatra nitondra fandaminana. Nisy araka izany ny fifanatonana teo amin’ny an-daniny roa, mpitandro filaminana sy tomponandraikitra any an-toerana ary ny solotenan’ny vahoaka. Na dia nisy aza ny fangatahan’ny mpitandro filaminana ny hitondrana ity olona ity any amin’ny Fitsarana, tsy nanaiky izany ny mponina. Ny loharanom-baovao no nahafantarana fa mbola variana tamin’ny dinika ireo rehetra voakasik’izany, nentin’ny olona teny Anosinakoho amoron-dranomasina ilay voalaza fa nanota fady.
Talohan’ny namonoan’ny olona azy, dia nisy ihany ireo nanadihady. Tamin’izany no nandrenesana fa toa hoe nisy naniraka izy io hanao izao zavatra izao. Ny sasany indray nilaza fa hoe adala na mody adala izy. Ny taratasy hita tany aminy no nahafantarana fa mpitsabo izy, 69 taona.
Omaly ihany dia natao ny fombafomba rehetra nanadiovana ilay toerana voaota fady.
nangonin’i r.s.