Lehilahy roa voatondro fa mpangalatra taolam-paty nahatratrarana taolam-paty telo gony no matin’ny fitsaram-bahoaka, tany amin’ny Fokontany Sanavaka ao anatin’ny Kaominina ambanivohitry Sahadroy, 17 km miala an’i Mananjary renivohitry ny Distrika, ny faran’ny herinandro teo. Araka ny tati-baovao voaray avy any an-toerana, dia ny roa novambra teo, izy roalahy ireto no nindrana telefaonina finday tamin’ny zanaky ny Filohan’ny Fokontanin’i Sanavaka. Avy eo niantso olona voalaza fa « Deba » handray ireo taolam-paty voaangona, ary nilaza ireto mpamaky fasana fa efa vonona ny entana. Henon’ilay zanaky ny Sefo Fokontany daholo ny resaka nifanaovan’izy roalahy mpibizina taolam-paty ireto tamin’ilay handray ny « saphir blanc », ka notantarain’ilay tovolahy tamin-drainy sy ny fokonolona teo an-tanàna ny zavatra henony. Ny ampitson’io dia voasambotra ireto roalahy izay voalaza fa fantatry ny mponina teo an-tanàna satria manana havana monina eo. Rehefa noteren’ny Fokonolona mafy ireto lahilahy roa tra-tehaka dia nanoro ny toerana nanasitrian’izy ireo ny taolam-paty sady nanondro ny fasana novakian’izy ireo. Rehefa voamarin’ny Fokonolona sy ny tompom-pasana vaky izany, dia raikitra avy hatrany ny daroka sy vono tamin’ny alalan’ny fira antsy lava lela, ka maty tsy tra-drano voakapan’ny antsibe teo amin’ny lohany sy ny tanany ary teo amin’ny rajony ireto roalahy mpamaky fasana sady mpibizina taolam-paty.
Eric Manitrisa