- Publicité -
dimanche, septembre 21, 2025
AccueilFaits-DiversMananjary : Tafakatra 6.000 Ariary ny litatry ny lasantsy, kanefa mbola ifampitadiavana

Mananjary : Tafakatra 6.000 Ariary ny litatry ny lasantsy, kanefa mbola ifampitadiavana

Noho ny tsy fahampian’ny famantsiana solika ao Mananjary, dia mirongatra izaitsizy ankehitriny ny trafika, ka tafakatra 6.000 Ariary amin’izao ny iray litatra amin’ny lasantsy. Raha ny fanazavana azo, dia fiara iray ihany no mitatitra sy mamatsy solika any an-toerana, ary ora fito monja aorian’izay, dia ritra sy lany tanteraka ny solika, satria samy manangona avokoa izay manam-bola afaka mividy, ary mivarotra lafo izany eny anelakelan-trano rehetra eny avy eo ireo mpijirika. Vokatry ny tsy fitandreman’ireo mpibizina solika, dia mitombo isa ny hain-trano ao an-drenivohitry Vatovavy, toy ny tranga farany teo tao amin’ny Fokontany Masindrano, ka trano 40 no  may kila forehitry ny afo. Raha ny tati-baovao voaray, dia antony mahatonga sy mahatara ny famatsiana solika tonga ao Mananjary, izay mampitaraina mafy ny mponina any an-toerana ny faharatsian-dàlana misy.

Eric Manitrisa

- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici