- Publicité SW45 -
samedi, décembre 21, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversMananjary :  Taxi-brousse nentin’olona mamo, nandona sy nahafaty olona

Mananjary :  Taxi-brousse nentin’olona mamo, nandona sy nahafaty olona

 Mba hialàna ny amin’ny mety ho hatezeram-bahoaka dia voatery nindrina « violon » tany amin’ny zandary ireo pôlisy, tompon’ny fanadihadiana. Nifanakaiky tamin’ny tranon’ilay namoy ny ainy mantsy ny biraon’ny polisy ary efa nitaky ny hanaovana fitsaram-bahoaka ilay mpamily ny vahoaka. Tranga niseho ny alarobia hariva teo, teo Antanambazaha, manoloana ny vavahadin’ny kianja filalaovana basket, Mananjary. Fiara taxi-brousse iray no nandeha mafy, nivoaka ny lalana ary nifaoka mpivarotra amoron-dalana. Vokany ramatoa iray no maty tsy tra-drano, ary olona roa hafa no naratra vokatr’izany. Nampandrenesina haingana moa ny pôlisy ary tonga haingana teny an-toerana, nijery ifotony ny zava-nisy. Ilay fiara, niakatra teo amin’ny sisindalana, sy ny rà nandriaka namonto ny arabe no hita. Nezahina novonjena haingana moa ireto olona voadona, saingy efa tsy nisy azo natao intsony ny amin’ilay iray ramatoa 52 taona. Ireo roa hafa kosa, tsy dia naninona loatra ary efa nahazo ny fitsaboana sahaza azy. Raha ny fampitam-baovao azo dia fantatra fa mamo ilay mpamily teo am-pitondrana ity fiara ity, antony nahatonga ny tsy fifehezany ny fiara intsony. Nahita izany rahateo moa ireo nanatri-maso ny zava-nisy ka niaka-pofona sy nikasa ny hanao ny fitsarambahoaka. Efa tonga hatramin’ny hoe, handoro ilay fiara nahavanon-doza mihitsy. Ny fahatongavan’ireo mpitandro filaminana haingana no nampilamina ny toe-draharaha. Ary io nentina notazomina tany amin’ny biraon’ny zandary io ilay mpamily, raha ny pôlisy ihany no tompon’andraikitry ny fanadihadiana. 

m.L

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici