Olona telolahy nivahiny tamina fandraisam-bahiny iray, tao amin’ny fokontany Antanambazaha Mananjary, no tra-tehaky ny Zandary niaraka tamin’ny vola sandoka mitentina efatra tapitrisa sy fito hetsy ariary, ny harivan’ny 19 septambra teo. Noho ny fanomezam-baovao marim-pototra avy tamin’ny olona tsara sitrapo tamin’ny alalan’ny antso tamin’ny finday ny mpitandro filaminana no nahafahana nisambotra azy telo lahy ireto raha mbola teo am-panomanana ny teti-dratsiny. Raha ny fantatra, araka ny fampitam-baovao avy any an-toerana, dia avy ao amin’ny kaominina Tsiatosika ny roa tamin’ireo jiolahy, ary avy any amin’ny kaominina Marokarina kosa ny anankiray.
Photocopie. Saika hatakalo tao Manajary ireto vola sandoka iray alina ariary miisa 470 ireto, tsy ahitana marika sarina lohan’omby sy mamiratra amin’ny sisiny toy ny vola tena izy ireto vola sandoka sarona ireto, ary irony fitaovana fanaovana dika mitovy na “photocopie” ireny no nanaovana azy, izao sarona izao. Raha ny fanazavana voaray hatrany dia vola sandoka iray hetsy ariary no hatakalo vola tena izy dimy alina ariary. Amin’ny fotoana mampiakatra ny vokatra sy mandritra ny fotoam-piotazana ao Mananjary no mampirongatra ny fiparitahan’ny vola sandoka, hoy ny Zandary, ary fanindroany ny tranga nisy tamin’ity taona ity. Aorian’ny fanadihadiana dia hatolotra ny fitsarana tsy ho ela izy telolahy ireto, hoy ny vaovao.
Eric Manitrisa