- Publicité -
mercredi, juillet 9, 2025
AccueilFaits-DiversMananjary : Tovolahy tsy afaka Bacc, nitambotsotra maty tampoka

Mananjary : Tovolahy tsy afaka Bacc, nitambotsotra maty tampoka

Hakiviana tsy nisy ohatra izany an’ity tovolahy iray sahabo ho 21 taona eo, monina any Mananjary, raha nandre fa tsy afa-panadinana bakalorea ny tenany, ny zoma hariva teo. Raha ny vaovao voaray dia efa in-telo naka “Bacc” ity tovolahy ity fa tsy afaka, ary nanantena mafy ny tenany tamin’ity indray mitoraka ity fa hahazo vokatra tsara amin’izay, kanefa indrisy fa ny zandriny vavy 18 taona no afaka ary nahazo “mention assez-bien”. Rehefa avy nisaotra an-jandriny vavy : “ Felicitation zandry” ity tovolahy voalaza fa salama tsara ity, dia nitolefika nitambosotra tampoka niakarapoka tamin’ny tany. Nezahina novelomina fa tsy nisy aina intsony. Tamin’ny ankapobeny dia tsara ny voka-panadinana Bakalorea 2017 tany amin’ny Cisco Mananjary (56,44% ny taham-pahafahana), ary tsy nampitsanga-menatra ny vokatra tao aminay, raha ny nambaran’ Atoa Totovelo Baolahy Vincent, Proviseur Lycée Justin Manambelona. 62 % ny taham-pahafana  tao amin’ity sekolim-panjakana ity.

Eric Manitrisa

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici