- Publicité -
vendredi, juillet 4, 2025
AccueilFaits-DiversMananjary : Trano 65 may kila forehitra hotohoton’ ny afo

Mananjary : Trano 65 may kila forehitra hotohoton’ ny afo

Nifanesisesy ny hain-trano nahatsiravina, tany amin’ny Distrikan’i Mananjary tato ho ato. Trano 65  no indray may kila forehitry ny afo, ny alin’ny 26 jolay lasa teo, tamin’ny 11 ora alina, tao amin’ny Fokontany Ambohitsara  any amin’ny Kaominina ambanivohitr’ Ambodinonoka. Afo nanafanana rafotsibe iray “namindro”, ka resin-tory tampoka no niteraka ny loza. Trano dimy monja teo an-tanànan’ Ambohitsara no tsy may. Lasa lavenona hotohoton’ny afo avokoa ny vary notahirizina sy vola ary kojakoja rehetra fampiasa amin’ny fiainana an-davan’andro, toy ny : fitafiana, fitaovana an-dakozia, fitaovam-piasana isan-karazany, … , raha ny fampitam-baovao voaray avy tamin’ny Ben’ny tanànan’ Ambodinonoka, Atoa Georges Jean Baptiste, ary mponina mahery ny 400  no tra-boina mbola tsy manan-kialofana ankehitriny, ka anaovana antso avo fanampiana amin’ireo malala-tànana sy izay tsara sitra-po, hoy ity olom-boafidy ity. Marihina fa Kaominina ambanivohitr’ Ambodinonoka, dia 100 km miala an’i Mananjary tampon-tanàna, renivohitry ny Distrika.

Eric Manitrisa

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici