- Publicité SW45 -
lundi, décembre 23, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversMananjary : Vola sandoka an-jatony tapitrisa sarona

Mananjary : Vola sandoka an-jatony tapitrisa sarona

Mitentina 168 tapitrisa ariary ny vola sarona teny amin’ny lehilahy iray. Ravim-bola roa alina ariary avokoa izany. Niainga tamin’ny fitarainana marobe tonga teny anivon’ny polisy ao an-toerana ny niaingan’ny fanadihadiana ary nikarohana ny fiavin’ireo vola sandoka. « Niroso tamin’ny fanadihadiana sy nametraka fandrika ny polisy ka voasambotra teny amin’ny seranan’Andovosira ny lehilahy iray tompon’antoka », raha araka ny fanazavana azo. Manaparitaka ny vola sandoka ao an-tanànan’i Mananjary no tena tanjon’ilay lehilahy ary izany dia avy amin’ny famotsiana ireo vola. Izany hoe na hamidy mba hahazoana vola tena izy na koa hividianana zavatra ka ny famerim-bola tena izy no tazomina. Vetivety ihany anefa dia nisy nahatsapa fa vola sandoka no azon’izy ireo ary nanomboka teo ny fanadihadiana. Sazy an-terivozona mandra-pahafaty, izany hoe ny sazy mafy indrindra, no miandry ny mpanao vola sandoka. Mivandravandra rahateo eo amin’ny ravim-bola rehetra izany. Mbola misy sahy miroboka ao anatin’ny fanamboarana ireny ihany anefa. Etsy ankilan’izany, ilaina hatrany ny fampahafantarana amin’ny olon-tsotra ny endrika sy ny marika manokana amin’ny vola tena izy mba tsy ho voafitaky ny mpanao vola sandoka izy ireo. Matetika dia any ambanivohitra lavitra ary amin’ny andro tsena no fanaparitahan’ireo olon-dratsy ny vola sandoka. Misy ny olona voafitaka no tsy sahy mitory noho ny tahotra sao izy ireo indray no ho voatazona, na koa tsy te-hisahirana. Izany anefa dia vao mainka manome vahana hatrany ireo mpanaparitaka vola sandoka izay manimba ny toe-karena ao anatin’ny fotoana fohy.

D.R

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici