Tsy ny dahalo intsony no mampihorohoro. Efa milamina tanteraka ny any araka ny voalazan’ny mponina, raha ny momba an’ity resaka ity. Zavatra hafa indray izao no mitady hanjaka sy mampitaintaina ny mponina. Mananontanona ny mosary ! Tapitra mifindra monina mianavaratra ireo mponina any amin’iny faritra iny, mihazo ny faritra Bongolava sy ny manodidina. Tafakatra aman-jatony isan-kerinandro izany fifindra-monina an-katerena izany, noho ny tsy fisian’ny zavatra ivelomana intsony any an-toerana, raha ny fanazavana azo. « Tsy misy hohanina intsony izahay ary miha-kere andro aman’alina. Ny omby efa miha-vitsy, vokatry ny asan-dahalo teo. Ny voly tsy mamokatra intsony noho ny tsy fisian’ny rotsa-korana. Ny osy sy ny ondry etsy andanin’izay, efa tsy misy vidiny intsony » araka ny fitantaran’Atoa Rolland, mponina any amin’iny distrikan’i Bekily iny. « Fianakavian’ireo olona ireo no hany sisa hianteherany, ka izy ireo no miantso ny mba hitadiavana asa any an-toeran-kafa », hoy hatrany izy nanohy. Nambaran’izy ireo, fa hatramin’ny dahalo aza no mitsoaka mifindra monina. Ity farany ity indray dia noho ny tahotra ireo mpitandro ny filaminana etsy an-daniny, fitsoahana ny mosary etsy an-kilany. Raha izay asan-dahalo izay mantsy teo no nampitaintaina ny mponina tany amin’iny faritra Atsimon’ny Nosy, zavatra tanteraka indray no mianjady amin’izy ireo amin’izao fotoana izao, ka hiantsoan’izy ireo vonjy amin’ny tompon’andraikitra isan-tsokajiny avy. Toa in-droa mahita ny maizina tokoa angaha fa lasa ny dahalo, mandondom-baravarana ny mosary …
m.L