- Publicité -
dimanche, juin 1, 2025
AccueilFaits-Divers« BNRGC » Madagasikara : Manao fanazarana eto Toamasina

« BNRGC » Madagasikara : Manao fanazarana eto Toamasina

Nanomboka omaly 18 septambra ny fanazarana ataon’ny birao misahana ny loza voajanahary na ny BNGRC, izay notarihan’ny mpandrindra nasionaliny. Nisy ny atrikasa ataon’izy ireo ao anatin’ny telo andro hifarana ny 20 septambra izao, ka andraisan’ireo mpiara-miombona antoka rehetra amin’izy ireo nahitana ny firenena mikambana misahana ny loza voajanahary sy ny vondrona eropeana, sy ireo nosy rahavavy amintsika nahitana ny nosy Maurice – Seychelles – ary Comores. Manomboka androany dia hisy ny fanazaran-tena ataon’izy ireo amin’ny faritra efatra samy hafa eto Toamasina, ka hisy ny fampiasana ireo fitaovan’ny BNGRC sy ireo fanampiana azon’i Madagasikara makasika izany tamin’ireo mpiara-miombona antoko aminy. Ahitana izany fanazaran-tena izany ny ao Ambodisaina – ny ao Ranomena – ny ao Amboditandroroho – ary ny ao amin’ny kianjan’ny paositra teo aloha ao Analakinina Hopitaly be. Hisy mandritra ity fanazaran-tena ity ny fampiasana ireo fitaovam-pitanterana mahafaka lalan-dratsy tsy falehana fiara – fampiasana ny angim-by – fampiasanna ireo « drones » – fampiasana ireo trano lay samy hafa. Natao izany mba hahatonga ireo mpian-tsehatra rehetra ao anatin’ny aro lozan’ny rivo-doza, sy todra-drano, ary ireo loza voajanahary hafa, mba ho lasa fahazarana ny zava-misy fa tsy vaovao intsony amin’izy ireo ahafahana manavotra ain’olona maro. Miara-misalahy amin’izao hetsika ataon’ny BNGRC izao ireo avy eto Toamasina sy Antananarivo, eo koa ny fileovan’i Toamasina amin’ny alalan’ny prefe izay lahiben’ny BNGRC eto Toamasina, ary ny faritra atsinanana.

Malala Didier

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici