Tovolahy iray no nosamborin’ny polisin’ny kaomisarian’ny boriborintany fahefatra etsy Isotry noho ny resaka fanendahana ny alakamisy teo. Mpitandro filaminana teto no lasibatra. Efa tsisy tahotra intsony tokoa ry zalahy mpanao ratsy fa na hatramin’ireo tompon’andraikitry ny filaminana, izay tokony hatahorany aza dia ataony mahita faisana mihitsy. Teny amin’iny faritra Manarintsoa Isotry iny, ny andron’ny alakamisy teo, mpitandro ny filaminana handeha hamonjy fodiana no nataon’ny mpanendaka lasibatra, araka ny fampitam-baovao avy amin’ny polisim-pirenena. Vao nahavita ny asa ratsiny ingahirainy tamin’io fotoana dia nanjavona toy ny tsy teo. Teo no ho eo ihany moa dia nametraka fitoriana teny anivon’ny kaomisaria ity farany. Nandray ny fepetraa tandrify azy avy hatrany ireto farany ka nidina teny ifotony nanao ny fikarohana ity tontakely sahy zavatra ity. “Rehefa natao ny fikarohana dia fantatra fa mipetraka eny Manarintsoa ihany ilay jiolahy nanendaka azy io. Nidina teny an-toerana ny Polisim-pirenena nanao ny vela-pandrika ka tratra tao an-tranony tao Manarintsoa ity farany” hoy ny loharam-baovao. Efa jiolahy hikoizana tanteraka eny amin’iny faritra iny raha ity tovolahy ity. Efa mpamerin-keloka rahateo moa ranamana ary fantatra, raha ny vaovao hatrany dia efa ela no nikarohan’ireo mpitandro filaminana azy, noho izay resaka fanendahana izay. Rehefa avy nalaina am-bavany sy natao andrimaso tao amin’ny fonjakelin’ny kaomisaria moa ity tovolahy ity dia natolotra teny anivon’ny Fampanoavana ihany omaly.
m.L