Nanakoako ny poa-basy teny amin’ny faritra 67ha Atsimo, mihazo an’i Manarintsoa Isotry iny, omaly vao maraim-be. Nivarahontsana ny mponina. Raha ny vaovao voaray dia nisy tokantrano iray saika voatafika tamin’io andro io. Jiolahy telo lahy no voalaza fa saika hanao izany asa ratsy izany. Raha ny fantatra hatrany dia ren’ny tompon-trano, izay efa nifoha ny feom-by nikitrana, baramina saika hamakian’izy ireo varavarana. Avy hatrany dia niantso mpitandro filaminana ireo tompon-trano. Iretsy olon-dratsy kosa, raha nahare ny antso an-tariby nataon’ny tao an-trano dia nanao tari-dositra. Andro niditra anefa fa nifanehatra tamin’ny fahatongavan’ny mpitandro filaminana teny an-toerana, fotoana fohy taorin’ny antso, ny fitsoahan’ireo mpamaky trano. Nasain’ireo pôlisy nijanona izy ireo, nefa vao mainka nanao tsoa-pe, nandositra sy niditra elakelan-trano, raha ny vaovao hatrany. Voatery nanao tifi-danitra ny mpitandro filaminana, kanefa tsy nahasakana ireo jiolahy ho tafaporitsaka izany. Mitohy araka izany ny fikarohana sy ny fitadiavana ireo olon-dratsy ireo.
m.L