- Publicité -
mardi, mai 13, 2025
AccueilFaits-DiversManarintsoa Isotry : Trano 65 kilan’ny afo, Fianakaviana 145 tsy manan-kialofana

Manarintsoa Isotry : Trano 65 kilan’ny afo, Fianakaviana 145 tsy manan-kialofana

Nandravarava indray ny afo teto Andrenivohitra ny sabotsy teo. Nisehoana haintrano mahatsiravina tao Manarintsoa Isotry ny atoandron’io andro io. Vokany, trano 65 no kilan’ny afo ka 55 amin’ireo dia trano hazo avokoa ; ianakaviana 145 izay ahitana olona 700 eo ho eo no tsy manan-kialofana. Raha araka ny fanadihadiana teny an-toerana dia afon-dakozia tao amin’ny trano hazo iray no niandohan’izao loza izao, tokony ho tamin’ny 12 ora antoandro. Nitatra tamin’ireo trano nanondidina izany na dia teo aza ny ezaka nataon’ny fokonolona namono izany raha vao niandoha ny afo. Minitra vitsy ihany koa dia tonga teny an-toerana ny mpamonjy haintrano etsy Tsaralalàna fa tsy voafehy ny afo raha tsy tamin’ny 3 ora tolakandro. Teo ihany koa ireo mpitandro ny filaminana  avy ao amin’ny polisim-pirenena sy ireo polisy monisipaly. Nananosarotra ny famonoana ny afo noho ny hamaroan’ireo trano hazo izay mifanetihety ka nanafaingana ny firehetana. Ankoatr’izay, nanahirana ireo mpamonjy voina ny nitady rano noho ny tsy fisian’ny « bouche d’incendie » eny amin’iny faritra iny. Nanampy trotraka ihany koa ny fisian’ireo mpanararaotra izay mody mamonjy nefa ny hangalatra ireo entana izay mba voavonjy no tena ao an-tsain’izy ireny. Nisy tamin’ireo olona no nilaza fa very fahitalavitra nandritra iny loza iny. Goavana tokoa ny fahavoazana  na dia tsy nisy ny naratra sy ny aina nafoy. Tombanana am-polony tapitrisa maro izany ankoat’ireo taratasy ara-panjakana ilain’ireo niharam-boina toy ny kopia sy ny karam-panondro izay may avokoa. Manginy fotsiny ireo fitaovam-pianaran’ny ankizy izay tsy nisy avotra. Manoloana izany dia nanambara ny lehiben’ny fokon-tany sy ny avy ao amin’ny kaominina Antananarivo-Renivohitra fa hanao izay hanafainganana ny fanarenana izany. Manoloana izao voina izao dia manao antso avo amin’ny mpitondra fanjakana ireto olona ireto mba hijery izay azo hanampiana azy ireo.

T.M.

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici