- Publicité -
dimanche, juin 1, 2025
AccueilFaits-DiversAdy amin’ny kolikoly eto Madagasikara: Manavao ny paikadim-pirenena ny fanjakana…

Ady amin’ny kolikoly eto Madagasikara: Manavao ny paikadim-pirenena ny fanjakana…

Nanomboka ny talata 27 aogositra ny fanavaozana ny paikadim-pirenena amin’ny ady amin’ny kolikoly eto amintsika. Raha ny zava-misy mantsy dia tapitra ny taona ho avy ny paikadim-pirenena teo aloha nanomboka ny taona 2015, izay naharitra folo taona. Anjaran’i Toamasina no nanao ny fihaonam-be ireo tompon’andraikitra samy hafa eo amin’ny sehatra ara-panjakana sy ny sehatra tsy miankina ary ireo fiaramonim-pirenena, ka eo anivon’ny trano fandraisam-bahiny “Streamliner” Tanamakoa no anaovana izany ao anatin’ny roa andro hifarana anio 28 aogositra. Ny tanjona amin’ity fihaonam-be ity dia ny famolavolana ny paikadim-pirenena amin’ny ady amin’ny kolikoly manomboka ny taona 2025 hatramin’ny 2035 mandritra nty folo taona. Misy ihany koa ny tomban’ezaka ny asa vita teo aloha nanomboka ny taona 2015 ka hatramin’ny 2025. Mandritra izao dinikasa atao izao no misy ihany koa ny fidinana ifotony eraka ny renivohim-paritany izay hifarana ao Antananarivo ny 11 hatramin’ny 12 septambra ho avy izao. Raha ny fandaharam-potoana eo anivon’ny komity mpanomana azy ity, dia ny 09 desambra ho avy izao ny fandaniana izany fanangonana ilay paikadim-pirenena atao isam-paritra miaraka amin’ny fakan-kevitra atao amin’ny vahoaka ihany koa amin’ny tambanjotran-tserasera. Ity ady amin’ny kolikoly izay volavolaina ity dia ampiarina eto amintsika manomboka ny taona ho avy, ka miara-misalahy amin’izany ireo sampandraharaham-panjakana miady amin’ny kolikoly rehetra eto amintsika. Manohana ity fakan-kevitra momba ny ady amin’ny kolikoly eto amintsika ity, dia hiarahana amin’ny firenena mikambana ho an’ny fampandrosoana (PNUD).

Malala,Didier

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

  1. Bala bala daholo izany , aiza no tena misy ny kolikolo ? Fantatry ny olona rehetra izany raha sahy ny BINCI SAMIFIN ARAI dia efa vita io fa be resaka mapandry gisa fotsiny no betsaka. fantatra ny loharanon’io fa dia …….milamina tsara ry zalahy

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici