Eo anatrehan’ny tsy rariny miseho lany nolazain’ny mponina ao Mandabe any Mahabo, nivondrona ny mponina ary nanangana fikambanana antsoin’izy ireo hoe ORGADIS. Noforonina ity fikambanana ity , satria be loatra ny tsindry hazolena ataon’ireo mpitondra sy ny mpitandro filaminana any an-toerana. Tonga nitatitra ny vaovao ny solontenan’ny fokonolona ary tamin’izany no nilazany tamin’ny antsipiriany ny zavatra miseho any amin’io tanàna io. Nohamafisina fa taorian’ny nananganana ny ORGADIS, nisy olona maromaro nosamborina ary notanana nandritra ny dimy andro tany min’ny mpitandro filaminana, hoy hatrany ny vaovao. Nampakarina teo anivon’ny Fampanoavana tany amin’ny Fitsarana tany Morondva ireo olona ireo. Gagagaga ihany anefa ny mpitsara, satria toa tsy mitombina akory ny zavatra niampangana ireo olona ireo. Nanapakevitra ny mpitsara namotsotra azy ireo ary nijanona tsy nisy tohiny intsony ny raharaha. Amin’izao fotoana izao, tsy hijanona amin’izao ireo mponina, fa manaitra ny tompon’andraikitra isan-tsokajiny aty amin’ny fitondrana foibe. Nilaza izy ireo fa efa misy ny hetsika hataony.
r.s.