Hatramin’ny omaly dia mbola tsy hita izay nanjavonan’ireo gadra tafatsoaka tao Ambalatavoahangy ny asabotsy teo. Mitohy ny fikarohana azy ireo manerana ny faritra. Naparitaka koa ny sarin’i Ranary Eddy Brada sy Francesco Ernest mba hahafahana mahita azy ireo faran’izay haingana. Raha tsiahivina dia nitsoaka ny fonja niaraka tamin’ny kodiaran-droa an’ny mpiandry fonja izy roalahy. Mody hanao « essai » kinanjo tany dia tsy hita. Gadra izay voaheloka vao tamin’ny volana jolay teo ireo dia nisy nanome fahatokisana sahady.
D.R