Natolotra ny fitsarana omaly 12 martsa ilay pasitera mampivavaka ao amin’ny fiangonana zandriny tao amin’ny kaominina Mandialaza, rehefa avy niaiky izy nandritra ny fanadihadiana natao azy fa nandray anjara tamin’ny fanafihana ny OTIV tao an-toerana, ny alin’ny alahady lasa teo. Jiolahy 15 no manao fanamiana mpitandro filminana sady nirongo basy mahery vaika, no niara-niditra tao amin’ity toerana ity rehefa avy nandondona ilay pasitera no sady nanonona ny anarany fa misy zavatra hotadiaviny maika tao amin’ireo mpiambina. Izy rahateo fantatra tsara eo an-tanàna amin’ny asa fitoriana izay ataony, niara-niditra ankeriny tamin’ilay pasitera ireo jiolahy no nanery ireo mpiambina tao an-toerana no sady namatotra izay nikasa ny hitsoaka. Nahare kotaba kosa ny manodidina, dia niezaka ny nifampiantso ka izay nanana basy fampiasa any an’ala no nanapoaka ka nahatonga ny savoritaka tao amin’ilay toerana nokasaina horobaina. Vola iray tapitrisa sy roa alina ariary no lasan’izy ireo fa tsy voasokatra kosa ilay vata fitahirizana vola misy kaody miafina. Efa nanomboka nisavoritaka ny vahoaka teo an-tanàna dia nitsoaka avokoa ireo jiolahy, mpanafika fa mbola sendra mpivarotra iray tsy lavitra ity toerana ity izay voaroba ihany koa ka nahazoany vola roa tapitrisa ariary. Tsy nisy tratra ireo jiolahy, fa ilay mpitondra fivavahana niafina tao anaty lavaka no hitan’ireo zandary io alina nandritra ny fifanenjehana ihany no nilaza izy rehefa nanontaniana fa hanadio ny vatany no ataony ao anaty lavaka ao raha tsy nahitana na dia savony sy rano akory teny an-tànany.Tsy hijanona ny fikarohana an’ireo jiolahy ambiny ireo zandary hoy ny lehiben’ny vondron-tobim-paritry ny zandarimaria eto Moramanga,ny Kapiteny Rakoarisoa Eugene.
CATHY