- Publicité -
vendredi, juillet 4, 2025
AccueilFaits-DiversMandikanamana By-Pass : Lozam-pifamoivoizana nahafaty olona 2

Mandikanamana By-Pass : Lozam-pifamoivoizana nahafaty olona 2

Ny alakamisy alina teo, tany ho any amin’ny 11 ora alina tany ho any (PK900) no nitrangan’ny lozam-pifamoivozana iray. Fiara Daihatsu kely no nandeha mafy dia mafy tao anty fiolanana ka tsy nahafehy ny familiana intsony, hany ka nidona tamin’ireny vato na balise amin’ny sisin-dalana ireny.

Mafy dia mafy tokoa ny fifandonana ka potika sy naratra mafy avokoa ny olona 5 tao antin’ity fiarakodia ity. Avy hatrany dia noentina haingana tany amin’ny hopitaly HJRA tetsy Ampefiloha izy dimy ireto, ka ny 2 no maty raha vao tonga kelikely tany amin’ny hopitaly . Ny 3 kosa dia nalefa nody rehefa nahazo ny fitsaboana sahaza azy avy. Araka ny voalazan’ny tompon’andraikitra dia nisy fofon-taoka ireto olona maty ireto tamin’ny fizahana ny razana.

Itrangana loza mahafaty olona matetika ny eny amin’iny lalana midadasika iny. Antony mahatonga izany matetika ny tsy fitandremana ataon’ny mpamily. Isan’izany ny fandehanana mafy loatra ka tsy voafehy intsony ny familiana ka tonga ho azy ny loza.

ALEM

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser