Nisehoana fanafihana indray tao amin’ny kaominina Vinany ,distrikan’i Mandoto ny fiandohan’ny herinandro teo ka magazay iray tao amin’ny fokontanin’ Ankamory no lasibatra tamin’izany. Jiolahy 25 be izao no indray nanafika io fokontany io ny alatsinainy 9 desambra lasa teo,tokony ho tamin’ny 2 ora maraina. Mitondra fitaovam-piadiana mahery vaika ireo jiolahy raha ny loharanom-baovao marim-pototra avy any an-toerana .Vantany vao tafiditra tao izy ireo dia nanapoaka basy. Norahonany ny tompon-trano hamoaka ny vola rehetra, saingy tsy nisy vola tao amin’ilay mpivarotra raha ny fanazavana voaray ka ny entam-barotra rehetra ilaina amin’ny fiainana andavan’andro no noraofin’ireo jiolahy. Voalaza fa tao amin’ilay trano nisian’ny fanafihana ny rahavavin’ilay tompon’ny magazay niaraka tamin’ny anadahiny. Raha naheno ny fiavin’ireo jiolahy izy ireo dia vaky nandositra ka tafaporitsaka nivoaka ihany. Avy hatrany anefa dia nitifitra ireo jiolahy raha nahatsikaritra izany, maizina rahateo ny andro ka tsy nisy nifankahitana, nihevitra ireo jiolahy fa voan’ny bala izy mianadahy ireo kinanjo tsy izay ny zavanitranga fa avotra soamantsara izy roa. Matetika no itrangana asan-jiolahy iny faritra andrefan’i Vakinankaratra iny na dia efa manao ny ainy tsy ho zavatra aza ny mpitandro filaminana amin’ny famongorana sy fiadiana amin’ny asan-jiolahy sy ny fanafihan-dahalo. Fantatra ihany koa mantsy fa magazay iray hafa no voaroba herinandro lasa izay tao Vinany hatrany,ka rehefa tsy nahazo vola ireo olon-dratsy dia nodoroiny tsy nisy noraisina intsony ilay magazay.
Andry N.