- Publicité -
samedi, mai 10, 2025
AccueilFaits-DiversMandoto : Adin’ny mpivady namoizana ain’olona

Mandoto : Adin’ny mpivady namoizana ain’olona

Niteraka sahotaka sy savorovoro teo amin’ny manodidina sy ny fokonolona, ny disadisa niseho tamina tokantrano iray tao Beakanga Mandoto, nahafaty olona mihitsy ity adin’ny mpivady ity.

Ny Alatsinainy lasa teo no niseho ny tranga, nifampivazavaza sy nifanao taim-bava ireto mpivady , raikitra ny fifamaliana tsy nifampitsitsy vava ny mpifamofo, ary tsy takona nafenina rahateo ny  resaka natao. Tsy nahatanty ny zavaniseho ny rahavavin’ilay vavy ka niantso namana hanampy azy hiaro ny rahavavany, izany hoe niditra tamin’ny adin’ny  mpivady io. Nitaona ireo namany ity havan’ny vavy ity, hifanandrina amin’ny zaodahiny. Nitondra zavamaranitra rahateo ireo namany, vonona hamono ilay rangahy. Vao nahatazana lavitra ireto hamono azy anefa ity farany, dia vaky nandositra, niezaka nanenjika ireo olona maro nantsoin’ilay vehivavy saingy tsy nahazo azy fa efa lasa lavitra ilay rangahy nanavotra ny ainy. Ny fokonolona tamin’io efa vory lanona nijery ny zavamisy, tampoka teo anefa, nisy famaky nitsipalotra nentin’ireo nanenjika  niantefa tamina olona iray tsy nisy nidirany tamin’ilay resa-pianakaviana. Voa mafy teo amin’ny lohany sy tànany ilay lehilahy ary naratra mafy tokoa. Nitsoaka ilay nitoraka, nifanenjahan’ny fokonolona ary tsy lasa lavitra dia tratra ary natolotry ny fokonolona ny mpitandro filamininana. Mbola nitsoaka ihany anefa ranamana, na dia efa voasambotra aza, nampitandrina ny mpitandro filaminana saingy tsy nahoany izany. Voatery nitifitra ny mpitandro filaminana ka matin’ny bala ilay lehilahy.

Andry N.

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser