- Publicité -
lundi, septembre 15, 2025
- Publicité -
AccueilFaits-DiversMandoto : Ankizy naolana avy eo novonoina, saika niharan’ny fitsaram-bahoaka ilay nahavan-doza

Mandoto : Ankizy naolana avy eo novonoina, saika niharan’ny fitsaram-bahoaka ilay nahavan-doza

Soa ihany fa nandray ny andraikiny avy hatrany ireo zandary nanao ny fanadihadiana ary namindra haingana ilay lehilahy voarohirohy ho tompon’antoka tamin’ny fanolanana sy famonoana ankizivavy 16 taona, tao Mandoto. Efa natolotra ny Fampanoavana ny raharaha ny faran’ny herinandro teo ary nadoboka am-ponja avy hatrany ity tsy mataho-tody ity.

Ny zava-nisy araka ny fanazavàna azo avy amin’ireo kaomandin’ny vondron-tobim-pileovan’ny zandary ao Mandoto. Ankizivavy iray tokony ho 16 taona no hita faty tao anaty rano tao amin’ny fokontany Soamananety, kaominina Fidirana, distrikan’i Mandoto, tokony ho herinandro vitsy izay. Rehefa natao fitsirahana rehetra dia fantatra fa niharan’ny herisetra ara-nofo ity tovovavy tsy ampy taona ity. Noheverina fa rehefa vita ny filan-dratsin’ilay tsy valahara dia novonoiny ilay tovovavy. Navalany rano tsy lavitra teo nony avy eo. Nandray ny andraikiny avy hatrany tamin’ny alalan’ny fikarohana izay olona nahavanon-doza ireo tompon’andraikitry ny filaminana tany an-toerana ary tsy ela dia fantatra ilay lehilahy tompon’antoka tamin’izany heloka bevava izany. Voalaza moa fa efa nisy ahiahy nipetraka tamin’io lehilahy io ka dia nosamborina avy hatrany. Tetsy andanin’izay anefa, raha nahare izany ireo fokonolona dia efa vonona tamin’ny fanaovana fitsaràm-bahoaka ilay nahavanon-doza saingy nandray fepetra haingana ny teo anivon’ny zandary niezaka niambina azy sy nanazava ny sain’ireo vahoaka ny tsy fetezan’izany fitsaram-bahoaka izany. Natao tsara ambina ary nentina natao famotorana tany amin’ny biraon’ny zandary moa ity lehilahy voarohirohy ity. Teo no nahafantarana fa tena izy no tao ambadik’ilay vono olona mahatsiravina niharo fanolanana. Natolotra ny Fampanoavana moa ny raharaha taorian’ny fakàna am-bavany ity farany ary io nadoboka am-ponja vonjimaika io ralehilahy, miandry ny fotoam-pitsaràna azy.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici