- Publicité SW45 -
dimanche, avril 28, 2024
AccueilFaits-DiversMandoto - Asan-jiolahy : Olona iray maty voakapa famaky, roa hafa maratra...

Mandoto – Asan-jiolahy : Olona iray maty voakapa famaky, roa hafa maratra mafy

Nisehoana fanafihan-jiolahy mirongo basy sy famaky tany amin’ny tanàna iray antsoina hoe Andranomainty any Anjoma Ramartina, Mandoto tamin’ny herinandro teo. Vokany, lehilahy iray no maty tsy tra-drano voakapa famaky ary roa hafa maratra mafy. Tokony ho tamin’ny 6 ora hariva no nahatongavan’ireo mpanafika dimy. Mbola tsy nisy nihidy ireo fivarotana. Avy hatrany dia nanapoaka basy ireo mpandroba. Nikoropaka ny rehetra nahare izany ary nisy ireo tsy afaka nanidy ny varavarana intsony. Fivarotana iray no nidiran’ireo. Norahonany tamin’ny fiadiana teny aminy ny rehetra tao amin’ilay trano ary nasainy namoaka ny vola rehetra. Teo anatrehan’izany, tovolahy iray zanaky ny tompon’ny tsena no nikasa ny hanohitra ireo mpananibohitra. Tsy nisy fihambahambana fa avy hatrany dia nasian’ireo olon-dratsy tamin’ny famaky ka izany no nahafaty azy.

Taorian’izany, tsy nisy sahy nihetsika intsony ka dia nanao izay tiany ireo jiolahy. Lasany ny vola rehetra, ny telefaonina sy entana maro isan-karazany. Raha vao azony izany dia lasa nandeha izy ireo. Taorian’izany vao nisy ny niantso mpitandro filaminana. Efa lasa ela anefa izy ireo ary tsy nisy tratra intsony. Efa mandeha ny fikarohana azy ireo.

r.s.

- Publicité Google Ads -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser