Basy nentina nampihorohoroana ny mponina nandritran’ny fotoana fiaretan-tory tamina toerana iray no saron’ny polisy tao Mandoto. Na dia zandriny indrindra amin’ny distrika 6 sahanin’ny BRSP eto Vakinankaratra aza ny ao Mandoto, dia saika ahitam-bokatra ny hetsika fandriana fahalemana ao amin’ny faritra. Fantatra izany nandritra ny valan-dresaka nataon’ny teo anivon’ny polisy ho an’ny mpanao gazety teto Antsirabe, ny talata maraina teo. Ankoatran’io basy vita gasy P.A io, dia nahitana bala fampiasa amina basy mahery vaika “kalachnikov” koa ireo olon-dratsy, bala marihina fa vita gasy ihany koa izy io. Nandritra ny fisafoana fanao no nahatrarana ireo basy tsy ara-dalana ireo. Olona roa no vosambotra tompomarika amin’ireo basy sy bala vita gasy ireo, ny iray amin’izy ireo vosambotra omaly maraina nandritra ny fisavana ny trano fonenany.
Andry N.