- Publicité -
dimanche, juin 8, 2025
AccueilFaits-DiversMandoto : Dahalo 13 maty voatifitra, fokonolona 4 namoy ny ainy

Mandoto : Dahalo 13 maty voatifitra, fokonolona 4 namoy ny ainy

Tsy andro alina fa vao mangiran-dratsy tokony ho tamin’ny 5 ora sy sasany, ny 24 jona lasa teo no nanao be miditra tao amin’ny tanàna antsoina hoe Anjeje, fokontany Beakanga, distrikan’i Mandoto, ny andiana jiolahy tsy latsaky ny 20 lahy mirongo fiadiana. Olona efatra no maty nandritra ny fanafihana. Fokonolona mpanao kalony ny telo ary vehivavy ny iray. Nitondra Mas-36, AKM niampy basim-borona sy zava-maranitra ireo dahalo. Tapitra noraofiny avokoa ny omby teo an-tanàna manodidina ny 60 isa. Tsy niandry ela fa vao dila ny tanàna ny mpanafika dia raikitra ny fanarahan-dian’ny fokonolona, niampy ny mpitandro filaminana. Efa hain’ny fokonolona tsara ny lalana holalovan’ireo dahalo sy ny omby ka natao mialoha ny vela-pandrika. Ny zandary sy ny miaramila no tonga mialoha tao Andranomainty, efa niatrana. Tokony ho tamin’ny 1 ora tolakandro tonga tokoa ny dahalo niaraka tamin’ny omby. Raikitra ny fifandonana, nifamaly ny tifitra. Nifindra tao amina kizo iray tao Besakay indray ny mpitandro filaminana ary tsy nijanona ny fifampitifirana. Tsy nahatohitra intsony ireo dahalo ka rifatra nandositra tao amin’ny kizo antsoina hoe Manarilefokely. Tsy namelan’ny mpitandro filaminana anefa ary tsy nitsahatra ny fifandonana raha tsy tamin’ny 7 ora hariva. Maty voatifitra ny dahalo 13 isa, tsy nisy naninona kosa ny mpitandro filaminana. .

Andry N.

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici