- Publicité SW45 -
lundi, juillet 1, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversMandoto : Dahalo 8 lahy voasambotra, voatifitra ny iray

Mandoto : Dahalo 8 lahy voasambotra, voatifitra ny iray

Nahitam-bokatra indray ny hetsika nataon’ny zandarimaria eto amin’ny faritra Vakinankaratra. Ravan’izy ireo indray mantsy ny andian-dahalo nikasa hanao fanafihana tao amin’ny faritra andrefan’i Vakinankaratra iny,izay faritra mena tokoa amin’ity asan-dahalo ity.

Tao amin’ny kaominina Vasiana no voasambotra izy valo lahy ireto, voalaza fa  nampitaraina sy nampihorohoro ny mponina tokoa. Tao amin’ny fokontany Beakanga no nisamborana azy, teo am-pikenonkenonana ny handeha hanafika ry zalahy  no tra-tehaky ny zandary. Nambaran’ny Cdt Olivier Ranary kaomandin’ny kaompania ao Mandoto fa efa nivonona tamin’ny fitaovana entina handeha hanafika mihitsy ireo dahalo izao voasambotra izao. Nisy tamin’izy valo lahy ireto no efa nokarohina ela, ary efa nisy mihitsy aza ny didy fisamborana azy, isan’izany i Ndrasa. I Ndrasa,izay voalaza fa naman-dRakoto zanak’i Bemalaky dahalo rain-dahany ao Mandoto ao. Fantatra moa fa ity Bemalaky ity, dia ikoizana sy fantan-daza amin’ny asan-dahalo tokoa ary efa voasambotra,saingy nomena fahafahana vonjimaika indray ka  mandraka ankehitriny dia tsy hita popoka intsony. Mpitahiry sy mpilalao fanafody gasy ny iray tamin’ireo voasambotra, ny roa lahy amin’izy ireto dia mpampiantrano ireo dahalo.Nisy roa lahy hafa  tafaporitsaka,saingy lavon’ny balan’ny zandary ny iray tamin’izy ireo.

Nambaran’ny teo anivon’ny seraseran’ny zandarimaria eto Vakinankaratra  fa fiaraha-miasan’ny « Emmo-régional» no nahazoana izao vokatra izao. Notsipihan’ny Lt Lovasoa tomponandraikitry ny serasera kosa  fa efa miparitaka eto Vakinankaratra ihany koa ny fitaovam-piadiana mahery vaika fampiasan’ny mpitandro filaminana.

Andry N.

- Publicité -
- Publicité Google Ads -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser