- Publicité SW45 -
samedi, avril 20, 2024
AccueilFaits-DiversMandoto : Dahalo folo nitondra basy nanafika

Mandoto : Dahalo folo nitondra basy nanafika

Ny alatsinainy 18 febroary teo, tokony tamin’ ny sivy ora sy sasany maraina no tonga nanafika ny tanàn’ Ankazondrano ny dahalo folo lahy. Basim-borona sy kibay ary antsy no teny antanàn’ izy ireo tamin’ izany ; tonga dia niditra ankeriny tao an-tanàna izy iero ka nanambana avy hatrany izay sendra azy tsy hiantso vonjy na hikiakiaka, omby moa no tena notetehan’ izy ireo tamin’ izany.Raha vao azony ny omby 29 dia lasa nirifatra ireo olon-dratsy, tsy nanaiky lembenana anefa ireto fokonolona fa nampandre izay manampahefana akaiky azy ka tonga dia raikitra ny fanarahan-dia. Tsy lasa lavitra akory ireto dahalo dia efa tao aorianany ny mpanenjika, avy hatrany dia nanao tari-dositra namonjy ny ainy ireto dahalo ka voaverina tamin’ ny tompony daholo ny omby miisa sivy amby  roapolo. Tsy nisy ny fifandonana tamin’ izany ka dia nisaraka tsy nisy naratra ny roa tonta.

ALEM

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser