Dahalo iray indray no lavon’ny balan’ny mpitandro filaminana tao Mahabo, kaominina Vasiana rehefa nifampitifitra tamin’ny miaramila.
Sesilany ny fanafihana ao amin’ny distrikan’i Mandoto ao, tsy mikely soroka koa etsy andananiny ny mpitandro filaminana miady amin’ny dahalo. Nitrangana fanafihana indray mantsy tao Ambatolahimaro, kaominina Mandoto, ny alin’ny alarobia 12 novambra lasa teo. Dahalo amam-polony mirongo fiadiana no nanafika ny tanàna ka omby miisa folo no lasany tamin’izany. Nampandre ny toby miaramila 109 tao Mandoto ny fokonolona taorian’ny fanafihana, rehefa tafavory ireo vatan-dehilahy niaraka tamin’ireo mpitandro filaminana, raikitra ny fanarahan-dia. Vokany, tratran’ny mpanaradia tao atsimon’ny kaominina vasiana ireo dahalo ny andron’io ihany, tokony ho tamin’ny 1 ora maraina, raikitra avy hatrany fifampitifirana ka teo no nahavoa ny dahalo iray ka maty. Nitsoaka nandositra kosa ireo namany ary navelany teo ny omby miisa 9 raha toa ka efa maty nangalany hena teny an-dalana ny omby iray. Tafaverina tamin’ny tompony noho izany ny omby miisa 9.
Fa ankoatra izay, omby fito ihany koa no tafaverina tamin’ny tompony tao Antanambe ny alarobia maraina io ihany. Tsy fanafihana no nihatra tamin’ireo tompon’omby fa nisy nanao rainizavona, manao fisoko ny omby tao am-bala.
Andry N.