- Publicité -
mardi, juillet 1, 2025
AccueilFaits-DiversMandoto : Dahalo raindahiny maty voatifitra

Mandoto : Dahalo raindahiny maty voatifitra

Ny herinandro teo, nitombo iray indray ireo olon-dratsy nahazo tapakila ho any amin’ny varo-tsy mifody. Tany amin’iny distrikan’i Mandoto iny, tao amin’ny kaominina Ambohimanambola, fokontany Soavinarivo, dahalo iray fantatra amin’ny anarana hoe Hoby no voatiftra nandritry  ny fifandonana, raha avy nanafika tanana iray ka nifanehatra tamin’ireo zandary sy ny fokonolona. Noho ny ratra nahazo azy, dia tsy tana intsony ny ainy.

Ny zava-nisy : ny alin’ny 26 jona lasa teo dia nitranga fanafihan-dahalo tamin’ny tananan’Andranofito, tao amin’io fokontany voalaza etsy ambony io. Raha ny voalaza dia omby miisa folo lasan’ireo olon-dratsy tao an-toerana. Nampandrenesina avy hatrany ny zandary ary nanao ny fanarahan-dia, nampian’ireo fokonolona tao an-toerana. Tsy niandry maraina akory fa tamin’io alina io ihany dia efa nifankatratra ny roa tonta : ireo dahalo niaraka tamin’ny omby sy ireo mpanara-dia. Raikitra avy hatrany ny fifandonana, fifamaliana tifitra teo amin’ny andaniny sy ny ankilany. Tampoka teo anefa, nanao tari-dositra nitsoaka avokoa ireo olon-dratsy, ary namela ireo omby teo. Hay nisy iray tamin-dry zalahy ireto, raha ny vaovao hatrany no voan’ny bala teo amin’ny tratrany. Mbola niambozona basy « kalach » ingahy ity, tamin’ny fotoana nahitàna azy, nitsirara tao anaty rà mandriaka, saingy mbola nisy aina. Nentin’ireo fokonolona nihazo ny tanana ingahy tamin’izay fotoana izay, saingy teny an-dalana, noho ny ratra nahazo azy sy ny habetsaky ny rà very dia tsy tana intsony ny ainy. Nogiazana moa ny basy mahery vaika teny am-pelan-tanany ary natolotra ny fianakaviany ny razana. Tetsy andanin’izay kosa, tafaverina tamin’ireo tompony avokoa ireo omby nalain’ireo dahalo. Mbola mitohy kosa ny hazalambo, hikarohana ireo tafatsoaka hoy ny fampitam-baovao.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici