- Publicité -
mercredi, juillet 2, 2025
AccueilFaits-DiversMandoto : Dahalo roa lahy, notapahan’ny fokonolona ny lohany sy ny tanany

Mandoto : Dahalo roa lahy, notapahan’ny fokonolona ny lohany sy ny tanany

Tsy an-kitsisy, nifampitana ny dahalo sy ny zandary nampian’ny fokonolona tao amin’ny kaominina Inanantonana. Vokany, dahalo roa lahy no maty voatifitra vokatry ny fifandonana.

Nitrangana fanafihan-dahalo indray tao Marolahy, fokontany Bemasoandro, kaominina Inanantonana, distrakan’i Betafo, ny alin’ny sabotsy 6 desambra lasa teo. Dahalo manodidina ny folo lahy, mitondra  lefona sy  sabatra ary basy no nanafika ny  tanàna tokony ho tamin’ny 12 ora alina. Toy ny efa fanaon’ireo dahalo hatrany ny manapoaka basy sy mampihorohoro mba tsy hivoahan’ny olona rehefa miditra ny tanàna. Manaram-po avy eo ry zalahy mandroaka ny omby, matahotra rahateo ny mponina ka tsy misy sahy mivoaka aloha mandritra izany rehetra izany. Rehefa re fa mangingina ny manodidina vao mivoaka ny fokonolona, ka manao antso lava sy miantso vonjy. Taorian’ny fampandrenesana, tonga ny zandary avy ao Ankazomiriotra nanao ny fanarahan-dia niaraka tamin’ny fokonolona sy ny zana-tobim-paritra avy ao Inanantonana. Efa tafiditra tao amin’ny ilany atsimon’Ambohimanambola, ny alahady 7 desambra tamin’ny 10 ora maraina, vao tazana ireo malaso. Voalaza fa ny roa tamin’ireo dahalo nitondra basy no niantsona tamina kizo iray, niandry ny fandalovan’ny mpanara-dia. Vao lavitra anefa dia efa tazan’ny mpanara-dia ny paik’ady. Raikitra  ny fifampitifirana ka tsy nahatohitra ny mpanara-dia ny roa lahy ary lavon’ny balan’ny zandary. Tsy nanaiky kosa ireo fokonolona fa nentiny nanehoany ny hafaliany sy hatezerany dia notapahiny ny loha sy ny tanan’ireo jiolahy efa maty. Natsatony tamin’ny lefona avy eo nentiny nandihy manerana ny kaominina. Voalaza moa fa nalevin’ireo fokonolona ny razana taorian’izany. Tafaverina kosa ny omby miisa 40.

Andry N.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser