- Publicité -
dimanche, juillet 6, 2025
AccueilFaits-DiversMandoto : Fivarotana sy fanondranana olona, efadahy voasambotra

Mandoto : Fivarotana sy fanondranana olona, efadahy voasambotra

Rehefa nahazo loharanom-baovao mari-pototra avy tamin’olona tsara sitrapo ny mpitandro filaminana amin’ny fisiana andian’ olon-dratsy, izay tambazotrana fivarotana sy fanondranana olona any amin’ny Distrikan’i Mandoto, dia nanao vela-pandrika nandritra ny andro maromaro ny zandary avy ao amin’ny GAPJ Vakinankaratra, ka sarona ny alahady teo, tokony ho tamin’ny 11 ora alina ny jiolahy iray. Ny ampitso narainan’io kosa no tra-tehaka ny telolahy namany. Ireto farany, araka ny vaovao voaray, dia samy avy any Morafeno Anjoma Ramartine, raha avy ao Mandoto kosa ny mpibizina olona iray. Tamin’ny famotorana natao azy ireo, dia niaiky ny heloka vitany ny telo tamin’ireo olon-dratsy. Ary fantatra tamin’ny alalan’ny findain’ireo jiolahy, fa 70 tapitrisa ariary no hivarotana ny olona iray. Ramatoakely iray izay sakaizany iray tamin’ireo jiolahy ihany no nokasaina hamidy, nefa noho ny ezaka sy ny paik’ady nataon’ny zandary, dia avotra soa aman-tsara teo ampelantanan’ny naka an-keriny azy ity vehivavy ity. Mbola mitohy kosa hatramin’izao ny fikarohan’ny mpitandro filaminana ny atidoha mikotrika ity raharaha fivarotana sy fanondranana olona ity.

Eric Manitrisa

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici