Tamin’ny talata teo, mpangalatra rain-dahiny indray no maty voatifitry ny zandary tany amin’ny tanàna antsoina hoe Fidirana, any Mandoto. Araka ny vaovao voaray, tsena ny andro ary fanaon’ity olona ity ny mandroba mpivarotra rehefa avy ampitahoriny amin’ny basy eny aminy. Roa lahy izy ireo no niaraka. Araka ny maha tsena ny andro, marobe ny olona ary tonga dia nosamborina izy. Rehefa tratra dia niharan’ny fitsaram-bahoaka ary nodorana. Efa nisy ampahany may ny vatany. Tsy nanaiky mora ny anao lahy fa niezaka nanohitra. Tamin’io fotoana io no tonga ny zandary hisambotra azy. Toa vao mainka nanohitra anefa izy, hoy hatrany vaovao. Tsy nisy azo natao fa tsy miantsy nampiasa ny fitaovana teny aminy ny mpitandro filaminana. Maty vokatr’izany ilay lehilahy. Rehefa nojerena dia efa nahazo vola an-tapitrisa izy. Hita tany aminy ihany koa ny basy lava iray vita gasy niaraka tamina fanafody gasy maro. Ilay namany niaraka taminy kosa tsy hita izay nalehany. Taorian’ny nahafaty an’ity jiolahy ity dia nisy ny feo toa naparitaka fa nivadika ho bibilava izy. Rehefa nohamarinina tany amin’ny mpitandro filaminana anefa izany dia nilaza mazava ireo fa vaovao niniana naparitaka izany fa tsy mitombina velively.
Andry N.