- Publicité -
mardi, mai 13, 2025
AccueilFaits-DiversMandoto : Jiolahy telo nitifitra olona, voasambotra

Mandoto : Jiolahy telo nitifitra olona, voasambotra

Fianakaviana iray tratra alina no nisy nanendaka sy nandroba tao amin’ny distrikan’i Mandoto ny fiandohan’ny herinandro lasa teo. Vao tamin’ny 8 ora alina no nitrangan’izany raha ny fanazavana avy tamin’ny loharanom-baovao.Tamina sampanana maizimaizina hiditra ny tanànan’i Mandoto no nandrasan’ireo olon-dratsy ireto fianakaviana ireto. Tsy nisy alaharo na fampitandremana fa avy hatrany dia tifitra no nihatra tamin’ireo fianakaviana kely iray hamonjy fodiana. Rehefa izany nalain’ireo olon-dratsy avokoa ny vola tany amina ramatoa iray, tsy voafaritra mazava tsara aloha hatreto ny vola very. Tsy lavitra ny sampanana hiditra an’i Mandoto io anefa misy ireo zandary manao barazy amin’ny alina ka vetivety dia tonga teny an-toerana ny mpitandro filaminana. Natao avy hatrany ny sakana sy ny fisavana ireo tanàna manodidina. Tsikaritry ny zandary fa nisy trano iray tsy tao ny tompon-trano ary nihidy “cadenas” avy ety ivelany ny trano; tsy nihidy intsony anefa ilay trano avy eo ka nahamailo ny zandary. Nopitsohana ny varavarana, ary noraisim-potsiny ny telo lahy niafina tao, tsy tratra niaraka tamin’izy ireto intsony ny basy fa efa nentin’ny namany hafa nitsoaka. Efa eo am-pelatànan’ny mpitandro filaminana moa ny raharaha ankehitriny ary mbola mitohy ny fanadihadiana.

Andry N.

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser