Mandripaka tanteraka ny asan-dahalo any amin’iny faritra atsimo andrefan’ny Nosy iny. Ny alatsinainy lasa teo, notafihan’izy ireo ny valan’omby iray tao amin’ny fokontany Tsaratanàna ao amin’ny kaominin’Ambanivohitr’Ankazomiriotra, distrikan’i Mandoto. Ankoatr’izay, zaza 9 taona ihany koa no nentin’izy ireo nanaraka azy ireo tany rehefa avy namono vehivavy lehibe iray izy ireo.
Niony H.