- Publicité SW45 -
jeudi, juillet 4, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversMandoto :  Maty voatifitra Lekely, dahalo rain-dahiny

Mandoto :  Maty voatifitra Lekely, dahalo rain-dahiny

Mbola faritra mena amin’ny asan-dahalo ny distrika Mandoto, saika ho isan’andro ny asan-dahalo any an-toerana. Tsy voatery hangalatra omby maro intsony ireo dahalo ankehitriny fa  lasa manao rainizavona ihany koa.

Ny alin’ny zoma 14 jona lasa teo, tokony ho tamin’ny 11 ora alina no fantatra fa nisy omby very tao Bemahatazana fokontany Antanambao Ambary distrika Mandoto. Tsikary ny tompon’omby izany ka raikitra ny antso lava, vory maro ny fokonolona niaraka tamin’ny zandary avy amin’ny zanatobim-paritra Ambatotsipihina. Raikitra ny fanarahan-dia, ora vitsy taty aoriana dia tazana tamina toerana iray ny fatin’omby, efa norasarasainy ny omby ka ny lohany sy ny tongony ary ny tsinainy sisa tavelateo amin’io toerana io. Nitohy ny fanaharan-dia ka tsy lasa alavitra dia tratran’ny mpanara dia ireo dahalo. Raikitra ny fifanjevoana sy ny fifampitifirana ka tamin’izany no nahalavo ny dahalo iray antsoina hoe Lekely, araky ny fampitam-baovao dia fantatra fa efa nokarohina fatratra ity dahalo ity, tafaporitsaka kosa ireo namany hafa.

Andry N.

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici