Tovolahy iray, manodidina ny 20 taona eo ho eo no namoy ny ainy taorian’ny vono sy ratra nahazo azy, tany amin’iny faritra Mandoto, ny zoma lasa teo. Araka ny fampitam-baovao avy any an-toerana dia ny nisy fety tao an-tanana ny alarobia lasa teo. Taorian’izay fety izay no nisy andian-jatovo maromaro ihany nirohotra namono ity tovolahy ity. Nisy ny nitoraka, ny nively tavoahangy ary tsy vitan’izay fa mbola nohosihosena tao anaty tatatra ihany koa ity mpianatra ao amin’ny lycée ao Mandoto ity. Naratra mafy vokatr’io ratrany io ity tovolahy, ary voatery nentina novonjena haingana teny amin’ny tobim-pahasalamana, tao an-toerana ihany. Araka ny fantatra dia toa hoe resa-pitiavana no antony namonoan’ireto andian-jatovo ireto an’ity mpianatra ity. Ny vaovao hatrany no nahafantarana fa tsy mpianatra akory ireo namono, ary nisy nahita izany herisetra natao tamin’ity tovolahy ity saingy tsy nisy sahy niditra izy ireo. Roa andro taorian’io dia namoy ny ainy izy, noho ny ratra mafy nahazo azy. Isan’ny mpianatra hendry indrindra ao an-dakilasy ity tovolahy ity, raha ny filazan’ny mpampianatra azy. Ny sabotsy lasa teo no nalevina ity tovolahy ity, raha ny loharanom-baovao avy any an-toerana hatrany. Fantatra fa efa eny am-pelan-tanan’ireo zandary ny raharaha. Efa nisy rahateo ny fitoriana napetraky ny havan’ity tovolahy ity.
m.L