- Publicité SW45 -
mercredi, janvier 15, 2025
AccueilFaits-DiversMandoto : Mpisakan’olona voasakan’ny fokonolona

Mandoto : Mpisakan’olona voasakan’ny fokonolona

Mpijoko voajoko ry zalahy ireto. Ny faran’ny herinandro teo, roalahy voalaza fa jiolahy mpisakan’olona sy mpanafika mpiantsena no voasambotry ny fokonolona, raha iny handeha hitsoaka avy nanao ny asa ratsiny iny, tany amin’iny tananan’i Mandoto iny. Tamin’io fotoana io tokoa mantsy, raha ny fampitam-baovao azo avy amin’ny zandary dia nisy fanafihana nitam-piadiana, nihatra tamina mpiantsena tany amin’iny distrika iny. Lehilahy iray ary vehivavy anankiroa no lasibatr’ireo olon-dratsy. « Mpisakan’olona » hoy ry zareo avy any. Avy niantsena tao an-tampon-tananan’i Mandoto ireto olona ireto ary handeha hody any amin’izany tanana antsoina hoe Ambalafenoarivo izany. Nony tojo mangingina izy ireo no nipoitra tampoka ireto roalahy niaraka tamin’ny zava-maranitra ary « nandrava » azy ireo. Niezaka ny namaly ilay lehilahy saingy tsy nisalasala ihany koa ireto olon-dratsy nampiasa ny famaky teny amin’izy ireo, nentina nandratràna ity farany. Vitan’ireto mpanafika ireto ihany moa ny zava-nokasainy natao ary nitsoaka toy tsy teo izy ireo. Niantso vonjy ireo lasibatra ary tonga nanampy ireo fokonolona. Niezaka nanenjika sy « nanakana » ihany koa ny dian’ireo « mpisakan’olona ». Noho ny firaisan-kinan’ireo tanana manodidina dia tsy lasa lavitra ireto farany dia voasambotra. Natolotra ny mpitandro filaminana nony avy eo, ho amin’ny fanadihadiana azy. « Vokatry ny fampiharana ny tagnamaron’ny fandriam-pahalemana dia ny fokonolona ihany no niray hina nisambotra ireto jiolahy ireto. (…) Eto izahay dia misaotra azy ireo fa mihatra tanteraka ny toromarika nampitain’ny zandarimaria hifampiarovana samy mpiaramonina » hoy ny zandary.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici