- Publicité -
samedi, juin 14, 2025
AccueilFaits-DiversMandoto : Mpitondra moto nidona tamin’ny kamiao, maty tsy tra-drano

Mandoto : Mpitondra moto nidona tamin’ny kamiao, maty tsy tra-drano

Lehilahy iray malaza ho mahitahita tao Mandoto no maty tsy tra-drano rehefa nidofotra tamin’ny kamiao ny moto nentiny. Izany tokoa ny hoe ny fahorian’ny hafa fifalian’ny sasany. Raha ny fanazavan’ny olona ao an-toerana mantsy dia tsy nampiraika ny vahoaka ny fahavoazan’ity lehilahy iray namoy ny ainy ity. Toa nahafaly ny fokonolona aza raha ny fantatra. Raha ny fanazavan’ireo olona hatrany
dia isan’ireo ahiahiana ho mpiray tsikombakomba amin’ny asan-dahalo tao Mandoto ity lehilahy ity. Efa maro rahateo  ny raharaha nanenjahana sy niampangana azy, saingy votsotra hatrany ny tenany. Tamin’ny asabotsy teo dia faly loatra ilay rangahy, raha ny fitantaran’ny olona nanatri-maso ny zava niseho, fa nahazo moto ka nanao «arrosage». Voalaza fa efa mamo izy nitondra ilay moto ary mbola nitodra « cageot » misy zava pisotra  ihany koa.  Vokatry ny fandehanany mafy loatra dia nidona tamin’ny fiara lehibe iray nijanona teo amoron-dalana ranamana ka maty tsy tra-drano teo. Potika koa ilay moto.
Andry N.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser