Handeha hamonjy fodiana ireto mpivady no nosakanan’ny jiolahy telo lahy, tsy afa nanohatra izy roa fa dia nanaiky mora foana izay notakian’ireo jiolahy.
Tamin’ny zoma 6 febroary lasa teo no nisehoan’ity fanendahana miharo fandrobana ity tao amin’ny distrikan’i Mandoto. Mpiavady handeha hamonjy fodiana avy nivarotra tao Betsohana no nosakanana bandy telo lahy teo anelanelan’i Iazara sy Tsaramasoandro. Tsenan’i Betsohana mantsy io andro zoma io ka ankeviny efa fantatr’ireto jiolahy ihany ny fandaharam-potoanan’izy roa. Nony rava ny tsena, nandeha hamonjy ny fodiany ao Ankazomiriotra izy roa ireto niaraka tamin’ny moto fitondrany. Ratsy dia ratsy anefa ny làlana mampitohy ireto tanàna ireto, ao anatin’ny fahavaratra tanterahaka raheto isika amin’izao. Tsy afa mandeha mafy noho izany ny moto, eny fa na hatramin’ny fiara aza. Amin’izay fotoana izay indrindra no hananararaotan’ireo jiolahy manakan-dàlana sy mandroba. Novelesen’ireo jiolahy tamin’ny vy nofonosina lamba izy roa teny ambony moto ka lavo tamin’ny tany. Narahina tora-bato sy dakora avy eo ka fantatra fa naratra mafy ilay rangahy ary mbola manaraka fitsabona eto Antsirabe amin’izao fotoana. Rehefa hitan’ireto jioalahy fa voa mafy tokoa izy roa dia noraofiny ny sakosy nisy vola ary nitsoaka nandositra ry zalahy. Voalaza moa fa vola manodidina ny 10 tapitra ariary no lasan’ireo jiolahy tamin’izany. Tsy nisy nitondra fitaovam-piadiana mahery vaika ireo jiolahy fa dia vato sy vy ihany no fitaovana nampiasan-dry zalahy. Efa misokatra ny fanadihadiana.
Andry N.