- Publicité SW45 -
vendredi, mars 14, 2025
AccueilFaits-DiversMandoto : « Patron » nanolanany mpanampiny

Mandoto : « Patron » nanolanany mpanampiny

Vao 15 taona monja ity ankizivavy kely, mpanampy tao amin’ingahy. Nentanin’ny filan-dratsiny ramose ka lasa nanao ny tsy fanao. Tsy aritr’ingahy intsony mantsy, ingahy izay efa raim-pianakaviana mananiky ny 64 taona, izay filàna tao anatiny izay ka niroso tamin’ny herisetra ara-nofo no nataony. Mazava ho azy fa mety ho notambatazany aloha na nolangolangoiny maivana teo. Rehefa tsy nanaiky dia nanamparany herisetra amin’izay ka tonga hatramin’izao fanolanana izao. Marihana taizan’izy ireo tao amin’io tokatrano io ity ankizivavy ity no sady nataon’izy ireo mpanampy tao an-trano ihany. Tranga niseho tao Fidirana, distrikan’i Mandoto

Tany amin’ny ray aman-dreniny moa no nitaraina ilay ankizy ary nametraka fitoriana avy hatrany teny anivon’ny zandary ireto ray aman-dreniny ireto. Niroso tamin’ny fisamborana ity raim-pianakaviana ity avy hatrany ireo mpitandro filaminana, taorian’ny fitsirihana sy ny fizahana ny toe-batan’ilay ankizy nataon’ny mpitsabo. Eo am-panaovana ny famotorana azy moa ireo zandary ary hatolotra ny Fampanoavana ingahy patron mpanolana aorian’izay.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici