- Publicité -
lundi, mai 19, 2025
AccueilFaits-DiversMandoto : Raim-pianakaviana maty notifirin’ny zaodahiny

Mandoto : Raim-pianakaviana maty notifirin’ny zaodahiny

Asan-jiolahy sa lonilonim-pianakaviana ? Raim-pianakaviana iray no maty notifirin’ny jiolahy tafiditra tao an-tranony, ny alin’ny zoma teo, tao amin’ny distrikan’i Mandoto. Raha ny voalazan’ny mpitandro ny filaminana, taorian’ny fanadihadiana dia tsy iza ilay jiolahy nitifitra azy fa ny zaodahiny ihany. Tokony ho tamin’ny 10 ora sy sasany alina teo no nitranga ny fanafihana, raha ny fanazavana azo. Jiolahy maromaro nirongo basy no nanao amboletra niditra tao amin’ity tokantrano ity. Vao tafiditra izy ireo, tsy nisy alaharo alaharo fa avy hatrany dia ny basy no niresaka. Niantefa teny amin’ny lamosin’ity rangahy tompon-trano ny bala. Nijininika ny rà. Teo no eo ihany dia namoy ny ainy ity raim-pianakaviana ity. Vantany vao vita kosa izany zavatra izany, dia nitsoaka avy hatrany ireo olon-dratsy, tsy nitondra na inona na inona. Tsy fantatra araka izany na ny hamono an’ity olona ity ihany no anton-dian’ireo olona ireo. Nidina teny an-toerana avy hatrany ireo mpitandro ny filaminana raha vao nahare ity fitifirana olona ity. Araka ny fantatra kosa, dia tsy nisaron-tava ireo jiolahy ka mora tamin’ilay renim-pianakaviana, izay nanatrika tamin’io fotoana io ny namantatra ny iray tamin’ireo jiolahy. Nambarany tamin’izany fa, olona nipetraka tsy lavitra io tanàna io ny iray tamin’izy ireo ; izay nitifitra nahafaty ilay raim-pianakaviana, ary tsy iza fa ny zaodahiny ihany. Nisy ny fisamborana ity olona voarohirohy ho nahavanon-doza , namono nahafaty raim-piainakaviana ity ary efa mandeha ny famotorana rehetra, hitadiavana ireo olon-dratsy rehetra naman’ity jiolahy ity.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser