Nifamonjen’ny olona ity ramatoa iray nitambotsitra, nandritra ny fivoahana kely hisakafo maraina tao Mandoto. Hataraina ny an’ny olona nahita ilay ramatoa nitolefika raha izy avy nividy zavatra tamin’ny fivarotana iray. Tokony ho tamin’ny valo ora maraina teo ho eo, omaly alatsinainy, fiara Sprinter iray hizotra ho
any Toliary no nijanona kely tao Mandoto mba hisakafo maraina no nitondra
ilay ramatoa. Tsy nandeha irery izy tamin’io fa niaraka tamin’ny zanany roa, izay vao telo taona monja ny zokiny. Asa izay nahazo ity renim-pianakaviana ity, fa dia nitolefika izy ary tsy tafarina intsony ka nifamonjen’ny olona teo amoron’ny arabe. Tokony ho 35 taona ity ramatoa ity, naratra ny lohany ka nentina haingana teny amin’ny tobim-pahasalamana avy hatrany, saingy tsy avotra intsony.
Laharana finday iray tany amin’ilay ramatoa no nantsoina ka ny vadiny no nandray ny antso, nampahafantarina ny vaovao. Ireo zanany roa kosa dia olona tao Mandoto no nandray an-tanana azy ireo mandra piavin’ny fianakaviany.
Andry N.
Mandoto : Ramatoa nandeha taxi brosy maty tampoka
Articles qui pourraient vous intéresser