Natolotra ny fampanoavana omaly talata ireo « bandes des 10 » voasambotra tao Ankazomiriotra. Isan’ireo jiolahy nampihorohoro tamin’iny faritra iny mihitsy izy folo lahy ireto raha ny fampintam-baovao avy tamin’ny borigady Ankazomiriotra sy ny kaompania Mandoto. Misy andiany maromaro ireo jiolahy amin’izany ka ireto aloha no voasambotra hatreto. Marihina fa dimy no tratra voalohany tamin’izy folo lahy ka ireo no nanoro ny namany, avy eo nahafeno folo ny isa, ary mbola tratra niaraka taminy avokoa ireo enta-madinika isan-karazany. Fantatra fa mbola misy ireo namany mivezivezy ankehitriny. Anisan’izany ny lehilahy iray antsoina hoe Charlie. Voalaza fa malaza ratsy amin’ny fanaoavana ody ity lehilahy mbola karohina ity. Nanentana ny vahoaka hatrany ny lehiben’ny kaompania ao Mandoto, cmd Olivier Ranarison, amin’ny fiaraha-miasa sy fanomezana fanampim-baovao an’ny mpitandro filaminana mba hamongorana ireo olon-dratsy.
Andry N.