
Anisan’ny faritra iray iparitahan’ireo fitaovam-piadiana mahery vaika ny faritra Vakinankaratra ka na dia efa maro aza ireo voasambotra noho ny fitazonana izany dia mbola mitohy hatrany ny ezaka ataon’ny mpitandro filaminana amin’ny famongorana ireo olon-dratsy mampiasa izany.
Lehilahy roa indray mantsy no nahatratrarana basy tsy misy taratasy fahazoan-dalàna mampiasa azy tao amin’ny distrikan’i Mandoto ny voalohan’ny volana febroary teo. Olona tsara sitra-po no nahafantarana fa misy olona mampiahiahy ao amin’ny fokontany Tsaramiakatra, distrikan’i Mandoto, ka taorin’ny fanadihadihana dia nataon’ny zandary ny fisavana ny trano fonen’io olona io. Voalaza fa mpanao vato no anton’asan’ireo voasambotra ary mpirahalahy izy ireo. Mbola nahitana vato tsy misy taratasy ara-dalàna ihany koa tao amin’ny tranony. Fa ankoatra izay dia nahitana basy poleta iray vita gasy niaraka tamina bala iray sy famahana tao amin’ny fonenany. Azo sokajiana ho fitaovam-piadiana mitana ny sokajy voalohany ity « pistolet automatique » vita gasy ity, saingy nasiana fanovana kely fotsiny ihany, hoy Ltn Lovasoa, tompon’andraikitry ny seraseran’ny vondron-tobim-pileovana Vakinankaratra. Nilaza moa ireo voasambotra fa tamina olon-tsotra no nahazoany io basy poleta io. Fitazomana basy tsy ara dalàna sy fanovana ilay basy no heloka iampangana azy roa lahy ireto noho izany. Marihina fa nisy ramatoa iray nosamborina ihany koa noho ny fampiantranona azy roa lahy. Natolotra ny Fampanoavana, ny alatsianay 3 febroary, izy telo mianadahy voasambotra.
Andry N.