- Publicité -
dimanche, juillet 6, 2025
AccueilFaits-DiversMandoto : Tokantrano nahatratrana basy vita gasy roa sy bala 11

Mandoto : Tokantrano nahatratrana basy vita gasy roa sy bala 11

Basy lava vita gasy miendrika mass 36 ny iray ary sahalan’ny basy AKM kosa ny iray hafa, ireo no saron’ny zandary avy ao Mandoto tamin’ny 28 Aprily lasa teo.

Tsy dahalo akory ireto fianakaviana nahatratrana basy ireto, araka ny fanazavana teo anivon’ny zandarimaria, fa olona tsotra mitazona basy tsy misy fahazoan-dàlana. Isan’ny hiampangana azy ireto koa ny fanamboarana basy vita gasy. Araka ny fanadihadiana nambaran’ilay fianakaviana, fa nisy fotoana notafihan’ny dahalo izy ireo ka omby maromaro no very tamin’izany. Tamin’ny fotoanan’ny fanarahan-dia no nahazoan’izy ireo ilay basy miendrika AKM narian’ny dahalo, raha toa ka namboariny  kosa ilay basy faharoa. Ankoatra ireo basy ireo, dia bala  11 ihany koa no sarona niaraka taminy,bala mirefy 7.62mm, ary voalaza fa fampiasan’ny miaramila. Fampandrenesana avy tamina olona tsara sitra-po no nahafantarana, fa misy tokantrano manana basy ao amin’ny tanàna antsoina hoe, Fenoarivo, fokontany Ambohimalaza, kaominina Mahaiza, distrikan’i Betafo. Niroso tamin’ny fisavana ny trano ny zandary rehefa nahazo taratasy fahazoan-dàlana tamin’ny fitsarana. Tamin’izay no nahatratrarana ireto fitaovam-piadiana ireto hoy ny Lt Rakotonirina lefitry ny kaomandin’ny kaompania zandarimaria ao Mandoto. Efa hatramin’ny taona 2011 no voalaza fa nitazonan’ireto fianakaviana ilay basy ary nambarany fa hiarovany tena amin’ny asan-dahalo no mbola itazonany azy. Azo lazaina koa anefa fa nampanofainy ilay basy ary nambarany fa nanam-pikasana hamboatra basy iray hafa mitovy amin’ilay mass 36 izy ireo. Efa natolotra ny fitsarana ny raharaha.

Andry N.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser