Indroa nahita ny maizina, araka ny fitenenana, izao ny mponina ao amin’ny fokontany Mamoriomby, kaominina Fidirana, distrikan’i Mandoto. Tao anatin’ny tapa-bolana monja dia efa indroa miantaona ny fahafihana nataon’ireo dahalo mpangalatra omby. Ity distrika ity dia tsy afa-bela amin’ny asan-dahalo mihitsy ary saika ho isan’’andro dia andrenesana izany foana.
Tokantrano iray, ny alin’ny alatsinainy lasa teo tokony ho tamin’ny 10 ora alina, no niharan’ny fanafihana tao amin’io fokontany io. Toy ny efa fandre matetika, tsy miova paik’ady ireo malaso fa mampitahotra ny iray tanàna amin’ny poa-basy sy kotaba hatrany. Ankoatra izany, tsy olom-bitsy akory ireo dahalo fa manao andiany maro hatrany. Milamina ry zalahy avy eo mandroaka ny omby ao am-bala, ny mponina toran-kovitry ny tahotra ka tsy misy sahy mivoaka. Omby fito no fantatra fa lasan’ireo dahalo, ka tokantrano iray ihany no nakany azy ireo. Rehefa tafavoakany ny omby, araka ny loharanom-baovao, dia nanapoaka basy indray ry zalahy talohan’ny nandehanany. Efa nilamina sy nangina ny tanàna vao nahasahy nivoaka ny mponina ka nampandre ny mpitandro filaminana avy hatrany. Natao ny fanarahan-dia raha hita fa niakandrefana ny dian’omby, izany hoe nizotra nankany Mandoto, saingy tsy mbola nahitam-bokany izany hatramin’izao.
Andry N.