- Publicité -
dimanche, septembre 14, 2025
- Publicité -
AccueilFaits-DiversMandoto : Voatoraky ny lefona ny mpandeha fiara

Mandoto : Voatoraky ny lefona ny mpandeha fiara

Maratra mafy ny olona telo. Izy ireo dia isan’ny nitaingina ny fiara 404 bâché izay tratran’ny fanakanan-dàlana tao Mandoto, ny talata lasa teo. Miisa 14 ireo jiolahy izay tompon’antoka tamin’izany ary amin’ny andro atoandro (12ora sy sasany) no nitranga ny fanafihana. Nitondra basim-borona sy lefona ireo olon-dratsy. Tsy nijanona ny fiara fa nanohy nitsoaka  ary teo no velona ny toraka lefona izay nandratra ireo olona. Mampanahy hatrany ny fivezivezena amin’ny lalam-pirenena fahafito ary izao koa aza izany dia efa misy sahy manafika amin’ny andro antoandro.

D.R

- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici