Miparitaka indray ny vola sandoka eto amin’ny faritra Vakinankaratra ka any ambanivohitra no anaparitahin’ireo olon-dratsy izany. Raha tsy mandinika tsara fa maimaika dia tena tsy fantatra tokoa fa mitovy amin’ny tena izy ilay vola.
Iray alina avokoa ireo vola tsy izy ireo ka ilay lohan’omby no tsy misy rehefa tarafina, tsy mazava tsara ihany koa ilay tsipika mangirana eo ampovoany. Tao Mandoto no nahatratrarana azy tamin’ny 18 jona 2014 lasa teo. Roa lahy no voasambotra tamin’ity vola sandoka ity, andro tsena tamin’io fotoana io no tonga tao Mandoto ireto tovolahy roa. Marihina moa fa vahiny izy roa lahy ary nilaza fa hamita iraka no tena anton-diany tao amin’ny tsenan’omby nandritra io fotoana io. Efa maherin’ny folo ny omby novidiany tamin’ireo vola sandoka. Mpivarotra omby iray sendra nandeha hividy zavatra tamin’ilay vola vidin’omby no nahatsikaritra fa tsy izy ilay vola ka nampandre haingana ny mpitandro filaminana. Fotoana fohy tao aorina, nampandrenesina avokoa izay nivarotra omby tamin’izy roa lahy ireo ka rehefa nojerena tokoa dia sandoka avokoa ireo vola rehetra ka nahatratra 7 tapitrisa ariary. Nisy tamin’ireo mpivarotra omby hafa aza moa no efa nody niaraka tamin’ilay vola tsy izy. Rehefa izany dia niroso tamin’ny fisamborana ny zandary, ka natolotra ny fitsarana izy roa lahy ireto ka nidoboka am-ponja avy hatrany. Fantatra fa mbola misy namany hafa karohina ihany koa amin’izao fotoana.
Andry N.