Zava-doza indray no nitranga tao amin’ny kaominina Fidirana, distrika Mandoto. Zalahy lahy kely vao roa taona monja no nisy namono ary nalatsaka tao andava-drano. Tsy vitan’izay fa nesorina ny masony roa, ny lelany ary ny filahiany. Niteraka resa-be tao amin’ny kaominina fidirana ity zava-mahatsiravina nitranga ity, satria raha ny zava-misy no jerena dia natao sorona avy hatrany no tao an-tsain’ny maro raha nandre sy nahita ny fatin’ilay zaza lahy kely. Araka ny loharanom-baovao avy tamin’ny mpitandro filaminana dia tsy hita io zaza io ny alatsinainy faha-12 jolay 2021 lasa teo tokony ho tamin’ny 4 ora sy sasany. Nilalao teo an-tokotany niaraka tamin’ny renibeny izy no voalaza fa nisy naka an-keriny. Nanomboka teo dia nikaroka azy ny fokonolona, tsy nitsahatra nandritra ny telo andro sy telo alina, saingy tsy nahitam-bokany izany. Nandeha ny fanadihadiana ary fantatra fa nisy olona nitondra zaza nankany amin’ny kaomininana Inanantonana, toerana misy kariera famakiana vato. Rehefa tena nozahana anefa dia tsy ilay zaza very io voalaza io fa zanak’olona hafa mihitsy. Afa-nenina ny fokonolona nikaroka. Nahavariana anefa fa ny sabotsy tolakandro, hita tao anaty lavadrano efa tsy miasa intsony ilay zaza. Ankizy nilalao no nahatsikaritra fofona maimbo nivoka avy tao amin’ilay vovo. Nampandrenesina ny tompon’andraikitra ka natao ny fizahana dia ilay zaza tokoa no tao. Araka ny fanazavan’ny mpitsabo dia telo andro teo no efa nahatafy ilay zaza. Marihina fa eo an-tokotanin’ny raiben’ilay zaza io vovo io. Efa nikaroka tao nandritra ny telo andro ny fokonolona fa tsy nahita na inona na inona. Tsy dia mifanalavitra ny tranon’ny ray aman-drenin’ilay zaza rahateo no misy ity raibeany ity. Niakatra fampanoavana omaly ny raharaha. Fantatra fa olona telo no voaantso dia ny raibeny sy rahalahan-drain’ ilay zaza ary fokonolona iray. Hotaterina eto ihany ny vaovao fa hatramin’ny ora nanoratana omaly dia tsy mbola nandrenesana vaovao teny amin’ny fitsarana.
Andry N.