- Publicité -
mardi, mai 13, 2025
AccueilFaits-DiversMandoto : Zezika 2 taonina sy sasany an’i Sucoma, saron’ny zandary

Mandoto : Zezika 2 taonina sy sasany an’i Sucoma, saron’ny zandary

Na dia efa volana vitsivitsy lasa izay no nisiana fandrobana sy korontana tao amin’ny orinasa Sucoma Morondava, dia mbola mitohy aty aoriana ny fiparitahan’ireo entana halatra avy tao amin’io orinasa io. Kamiô « remorque » iray, marika Renault Premium no vosakan’ny mpitandro filaminana teo amin’ny barazy Mandoto, ny alakamisy alina teo. Rehefa nosavaina ny tao anatiny, dia nahitana zezika NPK aman-taoniny maro, an’io orinasa voaroba tao Morondava io. Lasakana 50 kg teo amin’ny 52 teo ireo entana ireo. Rehefa napetraka ny fanontaniana tamin’reo olona tao anatin’ny fiara, ny tompon’ny entana sy ny mpamily dia fantatra fa tsy nisy taratasy mazava avy tamin’ilay orinasa akory mikasika ireo zezika aman-taonina maro ireo. Voatery notazonina araka izany ireo entana ary natao ny fanadihadiana lalina mikasika ity raharaha. Hatreto anefa aloha dia mbola tsy fantatra mazava na isan’ireo entana voaroba tao amin’ity orinasa ity marina ireto zezika ireto, tsy misy taratasy ireto na ahoana. Ny fantatra fotsiny aloha, raha ny fampitam-baovao avy tamin’ny mpitandro filaminana, dia arahamaso tanteraka ireo olona nitondra ireo entana ireo. Hatolotra hohenoin’ny mpitsara mpanao famorotana kosa izy ireo anio. Mitohy hatrany kosa etsy andanin’izay ny fanadihadiana ataon’ireo mpitandro filaminana.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser